Jump to content

Wq/mg/Malala Yousafzai

From Wikimedia Incubator
< Wq | mg
Wq > mg > Malala Yousafzai

Malala Yousafzai

[edit | edit source]

Malala Yousafzai teraka 12 Jolay 1997 dia vehivavy Pakistaney mpiaro zon'ny ankizy sy fanabeazana, indrindra ho an'ny ankizivavy. Nahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana 2014.

Malala Yousafzai
Malala Yousafzai

Tamin'ny 9 oktobra 2012, tamin'ny izy 14 taona, dia niharan'ny fikasana hamono ho faty azy izy raha teny an-dalana handeha hody, naratra mafy izy noho ny tifitra teo amin'ny loha raha iny izy hiditra ny fiara fitateram-bahoaka iny. Fanafihana izay nolazain'ny Tehrik-e-Taliban Pakistan fa izy ireo no tompon'antoka. Nampidirina tao amin'ny hopitaly Birmingham ao Royaume-Uni izy ny 15 oktobra ho fanohizana ny fitsaboana azy. Nalaza tamin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena ity fanafihana an'i Malala Yousafzai ka lasa nampalaza azy.

Fomba fitenenana mampalaza azy

[edit | edit source]
  • "Boky iray, ankizy iray, mpampianatra iray, ary penina iray dia afaka manova izao tontolo izao."
  • "Tsy afaka mandresy antsika amin’ny bala sy herisetra izy ireo, fa amin’ny fitiavana sy fahalalana."

Loharano

[edit | edit source]