Wn/mg/Madagasikara : Roland Ratsiraka - Fifidianana : Tokony hosoloina ireo lehiben'ny faritra

From Wikimedia Incubator
< Wn‎ | mg
Wn > mg > Madagasikara : Roland Ratsiraka - Fifidianana : Tokony hosoloina ireo lehiben'ny faritra

Raha te hanao fifidianana tsy mitanila isika, tokony ho olona tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa no tokony hitazona ny Minisiteran’ny Atitany. “Tokony hametra-pialana ireo lehiben’ny faritra 22 manerana ny nosy satria izy ireo milaza fa manohana ny fitondrana” hoy Atoa Roland Ratsiraka raha nilaza ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena, izy omaly tetsy amin’ny Hotely Colbert. Nisy ny fanakianana natao mikasika ny tsy fihetezan-javatra nandritra ilay fitsampan-kevi-bahoaka farany teo. Mba hisorohana ny zavatra tahaka izany hoy izy “tokony ho olona manana traikefa toy ny administrateur Civil no hikarakara ny fifidianana”. Nambarany fa efa tara loatra isika amin’ny fanomanana ny fifidianana, nefa tsy misakana ny tokony havitany mialoha ity taona ity izany. Mikasika ny CENI dia nohamafisin’ity Filohan’ny MTS ity fa tokony hatao malaky ny fanokafana ny CENI amin’ny hery rehetra ary homena azy manontolo ny vola hoentiny miasa fa tsy atao tsikelikely toy izao.

Etsy andaniny, nasiany fanamarihana manokana ny mikasika ny Minisitry Atitany ankehitriny. “Raha te hanao fifidianana tsy mitanila isika, tokony hanazava ny momba azy Atoa Minisitra satria izy olona natolotry ny vondrona politika manohana ny fitondrana ankehitriny”. Talohan’ity fihaonana omaly ity, nisy ny fitsidihana nataon’Atoa Roland Ratsiraka ireo firenena Afrikanina toa an’i Ginea Ekoatôrialy sy i Gabon. Fanazavana ny toe-draharaham-pirenena sy ny anjara toeran’ny SADC amin’ny famahana ny krizy no tena anton-diany tany. Araka ny nambarany, ho avy eto amintsika indray ny Dokotera Simao ny Alatsinainy izao hijery ny mikasika ny fanomanana ny fifidianana.