Wn/mg/2026/03/31/Fifanekem-piarahamiasa Madagasikara sy Rwanda amin'ny famoaham-paktiora elektrônika
Vita omaly 30 marsa 2026 tany Kigali renivohitr'i Rwanda, navoaka ao amin'ny pejy Facebook an'ny Direction Générale des Impôts sy ny tranonkalany[1] koa, ny fifanekem-piaraha-miasa (protocole d'accord - Memorandum of Understanding) eo amin'ny Rwanda sy Madagasikara amin'ny hanatanterahina ny famoaham-paktiora elektronika eto Madagasikara na "Electronic Billing Machine (EBM)". Nanao sonia izany amin'ny anaran'i Madagasikara ny Tale Jeneralin'ny DGI Atoa Edmond Rafaralahy ary nisolo tena amin'ny anaran'i Rwanda kosa ny Kômisera Jeneralin'ny RRA (Rwanda Revenue Anthority) Atoa Ronald Niwenshuti ary samy nanatrika teo ihany koa ny delegasiona roa tonta.
Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ary fehezin'ny hitsivolana n°2025-738 tamin'ny 2 jolay 2025 izany rafitra izany ho an'ny eto Madagasikara. Natao izao hanamafisana ny mangarahara, hahatsara aro ny fidiram-bola ara-ketra ary mba hampanarahana toetrandro ny fifandraisana amin'ny mpandoa hetra.
Noho i Rwanda efa za-draharaha amin'ity sehatra ity[2] no nisafidianana azy. Madagasikara no firenena fahadimy nandòndòm-baravarana tao amin'ny RRA tao. Efa mampihatra ity rafitra ity i Kenya sy i Uganda, efa eo am-panaovana azy i Zambia ary tonga nanatevin-daharana hiara-miasa amin'ny RRA i Tchad sy i Madagasikara. Efa mihoatra ny 30 kosa anefa ireo firenena nitsidika an'i Rwanda hianatra amin'ny fametrahana ity rafitra efa nampihariny hatramin'ny taona 2013 ity.
Rehefa vita ny fifanaovan-tsonia dia nidina teny an-kianja nijery akaiky ny fampiharana sy ny fanatanterahana azy ny delegasiona malagasy. Izay orinasa sy fihariana ampiharana TVA moa no iharan'ity fanavaozana fampidiran-ketra ity.
- ↑ https://www.impots.mg/actualite/84?fbclid=IwY2xjawQ4qOJleHRuA2FlbQIxMABicmlkETFBeTRJeTdRRGY0N2hqbFdvc3J0YwZhcHBfaWQQMjIyMDM5MTc4ODIwMDg5MgABHnWj3dRiHgTTv6X_M7dePf7EptQNwD7nctV7Yk5g5Dg0uQfvZeuWFsFVmOa0_aem_3FySQbmNH21d4ptudmiJvQ
- ↑ https://www.newtimes.co.rw/article/34494/news/technology/madagascar-becomes-fifth-country-to-adopt-rwandas-ebm-tax-system