Ketrika: Mombamomba
Appearance
Inona ny Ketrika Wikimedia?
- Ketrika Wikimedia, naorina tamin'ny 2 Jona 2006, no tranonkala mifototra amin'ny wiki ampiatranoin'ny Wikimedia Foundation, Inc., fikambanana tsy mitady tombombarotra mampiatrano ihany koa ny Wikipedia sy tetikasa hafa.
Atombohy ny wiki-nao!
- Ketrika ampiasaina ho sehatra ahafahan'ny tsirairay manangana fianakaviambem-piteny iray amin'ny tetikasa Wikimedia (Wikipedia, Wiktionary, Wikiboky, Wikigazety, Wikitsonga ary Wikivoyage) izay tsy mbola manana ny rantsan'ny sahany manokana, ary fantatra fa fiteny nankatoavina. Azo ampiasaina ho tahaka ny tena wiki ireny ireo lazaina ho "wiki andrana" ao amin'ny Ketrika . Raha irìn'ny fianakaviambe, azon-dry zareo atao ny mifindra amin'ny rantsan'ny sahany manokana amin'ny alalan'ny paika fangatahana fiteny vaovao. Ny Komitin'ny fiteny no tompon'ny fanapahan-kevitra.
- Ny andrana Wikiversity sy Wikisource indray ampiatranoina any amin'ny wikis hafa: beta.wikiversity.org sy wikisource.org araka ny filaharany.
- Tsimanampaharoa ny Ketrika Wikimedia amin'ny lafiny sady tsy tetikasam-botoaty tahaka ny Wikipedia, rakipahalalàna malalaka, sady tsy tetikasam-pandaminana tahaka ny Meta-Wiki, izay mandrindra ireo tetikasan'ny Orina Mpanasoa Wikimedia isankarazany.
- Rehefa mamaky, mikirakira, na mandray anjara amin'ny Ketrika, miangavy mba jereo ny pejy Privacy policy sy Lisansa Ankapobeny.
- Raha tianay ny hahafantatra bebe kokoa ny fomba fiasa anatin'ny Ketrika, azonao atao ny mamaky ny fanontaniana miverimberina matetika ao amin'ny Avoty:FMM. Fanavotana hafa ao amin'ny Avoty:Votoaty.
Inona ny tsy Ketrika Wikimedia?
- Na dia matetika miverina ao amin'ny Ketrika aza ny rantsan'ny saha nakatona mba hahafahan'ireo manangana indray ny fianakaviambe, dia tsy tetikasa fanariam-pakon'ireo tetikasa nafoy. :* Na dia tetikasa manokana aza ny Ketrika, tsy tokony hoheverina ho tetikasa "miafina ambadiky ny sehatra" izany.